Tao amin'ny Saha Edena no nametrahan'Andriamanitra ireo anjely

« Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. » (Ezekiela 28:14)
« Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] » (Ezekiela 28:12)Natao tsy nanan-tsiny ireo anjely; kanjo lasa niavonavona tamin'Andriamanitra ny fony. Toy izao no faminaniana sady fanoharana momba azy:
« Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. » (Ezekiela 28:15)