Inona no hanafaka antsika amin'ny Fandrik'i Satana sy ny Fahafatesana?

Nanatrika ny famoronana ireo anjely

  • Nanatrika ny famoronan'Andriamanitra ny zava-boaary
    ireo anjely
    , dia ilay "kintan'ny maraina" sy ireo zanak'Andriamanitra.
  • Nifaly sy nihoby avokoa izy ireo raha nahita izany famoronana rehetra nataon'Andriamanitra sy ny Teny izany. Joba 38:4-7:
« Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? »


Tao amin'ny Saha Edena no nametrahan'Andriamanitra ireo anjely

  • « Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy] » (Ezekiela 28:13)

« Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. » (Ezekiela 28:14)