Teny Fikasana ho an'izay Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra

Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra

« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Matio 6:31)
« Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:32)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)
« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. » (Matio 6:34)


Ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany

Amin'ny andro farany dia ho rava tanteraka ny fanjakan'izao tontolo izao, izay notarihin'ilay mpanjakan'ny fahamaizinana eto an-tany mandritry ny arivo taona maro.

Amin'izany fotoana izany no ho tonga ny Fanjakan' Andriamanitra mandrakizay eto an-tany. (Apo. 20-21)


  • Izay mino sy "manasa ny akanjony" no ho tonga olona masina ka hanana anjara fiainana sy handova ny fanjakan'Andriamanitra(Mar. 16:16a; (Ezekiela 28:24-26; Apo. 22:14) 
  • Ireo olona masina no hiara-manjaka amin'i Jesosy Kristy eto an-tany, hiara-mitantana aminy izao zavatra rehetra noharian'Andriamanitra izao.
  • Hanjaka tsy hana-pahataperana eto an-tany Jesosy Kristy sy ny olona masina, ankohonan'Andriamanitra