Ny Anjara Homena ireo Antikristy

Inona kosa no anjara homena ireo tsy mino sy antikristy?

Ireo tsy mino an'Andriamanitra sady mandà na tsy mankatò an'Andriamanitra sy manohitra an'i Jesosy Kristy dia antsoina hoe "antikristy." (1 Jao. 2:18-22; 1 Jao. 4:3) 
Ireo no mikatsaka hatrany ny fanjakan'izao tontolo izao, tarihin'ny andrianan'izao tontolo izao, dia devoly sy Satana.
    Ireo dia olona tsy mino, vetaveta, mpijangajanga, mpanao ody ratsy, mpandainga, ary tsy mankatò ny Tenin'Andriamanitra. 


      • Ireo mpanohitra an'i Kristy no fahavalon'i Kristy, izay antsoin'ny Bokin'ny Apokalypsy 21 koa hoe "alika:" 

      « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
      • Izay tsy mino an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireo dia miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny mariky ny anarany. (Apo.14:9) 
      • Ireo dia hohelohina ary haringana amin'ny fahafatesana faharoa rehefa amin'ny Fitsaranan'ilay Seza Fiandrianana fotsy lehibe, izay tsarovana amin'ny "Fara-Fivoriana", iray amin'ireo  Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah. (Mar. 16:16b; Apo. 21)