Teny Mialoha

Misy antony ve namoronan’Andriamanitra ahy sy ianao, sa ve nivoatra avy tamin’ny amiba tokan-tsela? Amiba tokana sela? Mizotra mankaiza ny fiainan’ny zanak’olombelona? Inona no anton’izao fiainana izao? Ary inona ny làlana? Sahiko ny milaza aminareo eto anio, fa misy fanantenana izao fiainana izao, ary tena azo antoka io fanantenana io.

Izany fanantenana izany dia ho an’izao taranaka izao ary izany dia ny taranaka misy amin’izao vanim-potoana inaintsika izao. Fandriam-pahalemana eto amin’izao tontolo izao, fandrosoana, fandrosoan’ny toekarena maneran-tany, fahasambarana, manana amby ampy ary famonjena ho an’ny olombelona.

   Tsy ho azonao mihitsy izao fiainana izao raha tsy azonao tsara izay niseho tany am-piandohana

·       Firy ny olona no mahalala izany?
·       Fiangonana firy, ary mpitory filazantsara firy no mba mahalala na manambara izany aminao, ka mampahafantatra izay zava-nisy sy nitranga mialohan’ny fiandohan’ny tantaran’ny zanak’olombelona? 

·       Nefa raha tsy azonao mazava tsara ny fiandohan’ny tantara, dia tsy ho azonao mihitsy ny zava-misy ankehitriny, satria tsy fantatrao mihitsy izay antony nahatonga azy.

  Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny Olona?



·       Andriamanitra nahary ny olombelona tahaka ny endriny, ary manam-pitoviana aminy. Nefa Izy dia nahary ny olona ho nofo aman-drà, ary tany no nomeny azy honenany sy hitomboany.

     Mitady olona an-tapitrisany maro Andriamanitra mba hamita ny asa famoronana izay nataony sy hanjaka amin'ny tany sy ny zava-boaary rehetra noforoniny.

·       Ny tanjon’Andriamanitra izany dia ny hitomboany isa sy hananany ankohonana ho Azy. Ary izany no hitarihany antsika ho amin’ny fahamarinana sy fahamasinana ary toetra feno fahatsarana, avy toetra maha-olombelona nofo sy rà antsika. Izany no antony naharian’Andriamanitra ny zavatra matiera, satria efa hitany tany ampiandohana izany. Izany hoe, ohatry ny planina hafa natao raha toa ka sendra tsy mahomby ny planina voalohany. 
   Inona àry no zavatra ao an-tsain’Andriamanitra ankehitriny?
·       Nametraka ny olombelona eto an-tany Izy, ary ny zavatra mibahan-toerana ao an-tsain’ Andriamanitra dia ny hamerina amin’ny laoniny ny Fanjakana na ny governemantan’Andriamanitra sy ny toetran’Andriamanitra ao amin’ny olombelona.

·       Noho izany, raha tsy azontsika izany rehetra izany, izany zava-nisy sy nitranga talohan’ny tantara izany, dia tsy ho azontsika mihitsy ny fahamarinana momba ny olombelona, ny fiandohana tamin’ny andron’i Adama sy ny antony nahatongavan’i Jesosy Kristy teto an-tany.

·       Ary raha tsy mahazo izany koa isika dia tsy hahalala mihitsy ny antony nahaterahantsika eto an-tany.
·       Tsy ho fantatrao mihitsy ny anton’ny zavatra rehetra eto an-tany.
·       Tsy mahalala ny zavatra miandry anao akory ianao, ary ahoana no hialana amin’ny ratsy.

Amin'ny Andro Farany, rehefa tsofina ny Trompetra Farany, dia hiverina i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. 
Hiverina Izy haka ny fanjakana sy ny fanapahana rehetra amin’ny firenena rehetra maneran-tany sy izao tontolo izao. 

Amin'izao fotoana izao dia mbola i Satana no mifehy sy manjaka eto amin’izao tontolo izao ary mamitaka ny firenena rehetra izy.
Namitaka firenena maro izy, ary mbola hamitaka hatramin'ny vanim-potoana farany indrindra. 
Nefa efa misy fandaharana miandry azy amin'ny fitsarana farany, izay asehon'ny hevi-panahin'ny Andro Fanavotana sy ny Fara-Fivoriana ao anatin'ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah.

·       Mahatoky sy marina Izy ary izay manaraka Azy sy mitandrina ny Teniny dia tsy mba handeha amin’ny tsy fahamarinana na oviana na oviana. 

Araho amin'ny antsipirihany àry ny fanazavana, izay nomen'i Herbert W. Armstrong ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray manerantany, dia ho voavaly avokoa izany fanontaniana rehetra izany.