Ezekiela 28 dia miresaka mpanjaka iray izay anaovana fanoharana manazava ny niandohan'i Satana.
Kintan'ny maraina na Losifera no anarany satria izy no nitondra ny fahazavan'ny maraina. Nataon'Andriamanitra feno hatsaran-tarehy ilay kintan'ny maraina. Napetrak'Andriamanitra tao amin'ny saha Edena, izay feno fahatsarana izy. Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana be koa izy ireo, ary natao mpanisy tombon-kase ireo rafitra tsara tarehy. (Ezek.28:2-4, 28:12).
"Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] » (Ezekiela 28:12)
« Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra. » (Ezekiela 28:16)
Nampiandraiketina ny tany sy ny zavatra eo aminy
Tany amboalohany, ny kintan'ny maraina (Losifera) sy ireo anjeliny no nomen'Andriamanitra ny andraikitra hikarakara ny tany sy ny zavatra teo aminy.
« Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka, » (Ezekiela 28:17)
Ary nomena safidy malalaka koa na hanaraka ny fomba fiainan'Andriamanitra na tsia. Izany hatsaran-tarehy nananany izany no nahatonga ny fony hiavonavona tamin'Andriamanitra ary nahatonga an'i Satana sy ireo anjeliny hikomy sy hiady tamin'Andriamanitra sy ny Mesiany.
Nesorina tamin'ireo anjely ireo ny voninahiny
« Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao » (Ezekiela 28:7)« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.
« Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao » (Ezekiela 28:9)« Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 28:10)« Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: » (Ezekiela 28:11)
« Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao. » (Ezekiela 28:18) « Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. » (Ezekiela 28:19)