Namorona ny Olona Andriamanitra

Namorona ny Olona Andriamanitra

    Rehefa vita ny asa famoronana ny tany sy lanitra ary ny ranomasina sy ireo zava-boaary rehetra eo aminy dia namorona ny olona Andriamanitra sy ny Teny. 
    • Namorona ny olombelona tahaka ny tarehiny sy ny endriny Jehovah sy ny Teny. 
    • Vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. (Gen. 2:7)
    •  Lahy sy vavy, Adama sy Eva, no nanaovan'Andriamanitra ny olombelona.
    • Nitso-drano azy mba ho maro fara sy hihabetsaka Andriamanitra.
    • Tao amin'ny Saha Edena tao atsinanana no nametrahan'Andriamanitra azy ireo.
    • Nomen'Andriamanitra azy ireo ho fihinany ny anana manintsam-boa sy ny hazo fihinam-boa rehetra izay manintsam-boa isankarazany.


      Nomena safidy sy fahalalahana ny olombelona rehetra
      • Nanafatrafatra azy ireo kosa anefa Andriamanitra mba tsy hihinana ny voa avy amin'ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara, satria ho faty izy ireo amin'ny andro ihinanany izany.
      • Nanohitra na nandà ny Tenin'Andriamanitra ny olombelona. Izany hoe, nisafidy ny hihaino ny tenin'ny devoly sy Satana izy ireo; ary izany no mahatonga ny fahafatesana eo amin'ny zanak'olombelona rehetra.

      Namorona olona tahaka ny endriny sy ny tarehiny Andriamanitra, ary nametraka azy hanjaka amin'ny zava-boaary rehetra eto an-tany Izy. (Gen.1:26; Lioka 19:17-19; Apo. 2:27)