Inona no Antony Namoronan'Andriamanitra ny Olona?

Efa nisy teto an-tany ny fanjakan'Andriamanitra taloha

Nandritry ny arivo taona maro, ireo mpanompon’Andriamanitra dia naminany tamin’ny an-tsipiriany ny namoronana ny tany sy ny fahasimbany, ary koa ny amin’ny nanavaozana sy ny mbola hanavaozana indray ny tany sy ny lanitra. Ankoatr'izany, ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia nanambara ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanavaozana ny zavatra rehetra.


Raha fintinina, dia toy izao no zava-nisy tany am-piandohana, ary toy izao koa no zavatra hitranga any am-parany any.



Jehovah Ray sy ny Teny no nisy tany am-piandohana


Tsy nisy afa-tsy Andriamanitra tany am-piandohana, dia Jehovah Andriamanitra Ray sy Ny Teny. Mbola tsy tonga nofo ho olombelona i Jesosy Kristy (na ny Teny) tany amboalohany (Jaona 1). Izany hoe Andriamanitra sy ny Teny ihany no nisy, ary tsy nisy afa-tsy Izy roa ireo ihany no teo anivon’ireo zava-boaary rehetra manerana izao tontolo izao.
  • Jehovah Andriamanitra Ray sy Ny Teny dia manana toetra masina sy marina sady tsy manota sady tsy mahay manota na oviana na oviana (1 Jaona 3:9)
  • Efa nisy teto an-tany mandritry ny milenioma maro ny fanjakan'Andriamanitra.


Jehovah Andriamanitra sy ny Teny no Namorona ny Tany sy ny Lanitra sy ny Ranomasina (Joba 38)

  • Namorona ny tany sy ny lanitra sy ny ranomasina
    Andriamanitra sy ny Teny. (Genesisy 1:1)
  • Namorona ny helatra sy ny ranomandry sy ny zava-drehetra koa Izy, ary ny biby isankarazany. izay voalaza tamin'ny mpaminany koa Izy. (Joba 39)
  • Ny Teny no mpita-marika teo anilan'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny famoronana izao rehetra izao: « Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[*Na: notezaina] » (Ohabolana 8:30)

Nanatrika ny famoronana ireo anjely

  • Nanatrika ny famoronan'Andriamanitra ny zava-boaary ireo anjely, dia ilay "kintan'ny maraina" sy ireo zanak'Andriamanitra.
  • Nifaly sy nihoby avokoa izy ireo raha nahita izany famoronana rehetra nataon'Andriamanitra sy ny Teny izany. Joba 38:4-7:
« Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? »


Tao amin'ny Saha Edena no nametrahan'Andriamanitra ireo anjely

  • « Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy] » (Ezekiela 28:13)

« Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. » (Ezekiela 28:14)


Natao tsy nanan-tsiny sady feno fahendrena ireo anjely

« Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] » (Ezekiela 28:12)
Natao tsy nanan-tsiny ireo anjely; kanjo lasa niavonavona tamin'Andriamanitra ny fony. Toy izao no faminaniana sady fanoharana momba azy

« Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. » (Ezekiela 28:15)


Ny niandohan'i Satana (Ezek.28)

Nataon'Andriamanitra feno hatsaran-tarehy ilay kintan'ny maraina. Napetrak'Andriamanitra tao amin'ny saha Edena, izay feno fahatsarana izy sy ireo anjely namany. Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana be koa izy ireo, ary natao mpanisy tombon-kase ireo rafitra tsara tarehy. (Ezek.28:2-4, 28:12). 
"Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase] » (Ezekiela 28:12)

« Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra. » (Ezekiela 28:16)

« Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka, » (Ezekiela 28:17)  
Ary nomena safidy malalaka koa na hanaraka ny fomba fiainan'Andriamanitra na tsia.Izany no nahatonga ny fony hiavonavona tamin'Andriamanitra ary nahatonga azy ireo hikomy sy hiady tamin'Andriamanitra sy ny Mesiany. 


Nesorina tamin'ireo anjely ireo ny voninahiny

« Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao » (Ezekiela 28:7)« Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina. 
« Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao » (Ezekiela 28:9)« Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo. » (Ezekiela 28:10)« Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: » (Ezekiela 28:11)
« Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao. » (Ezekiela 28:18)
« Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay. » (Ezekiela 28:19)


Ny Fikomian'i Satana no naharava ny tany


  • Nomena andraikitra hanatsara ny tany sy hikarakara ny
    zava-boaary teto an-tany ireo anjely, izay notarihin'i Losifera, izay nantsoina hoe "ilay kintan'ny maraina."
  • Nitsiriritra ny seza fiandrianan'Andriamanitra teny amin'ny lanitra i Losifera.
  • Nikomy tamin'i Jehovah izy sy ireo anjely izay nomena andraikitra hiasa teto an-tany ireo.
  • Niakatra tany an-danitra izy sy ny miaramilany; ary nisy ady tany an-danitra (Isaia 14:13-15)
  • Niady tamin'Andriamanitra izy; nefa tsy naharesy, ka dia nazera na nampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. (Apo.12:18)


Nandrava ny tanànany izy

"Nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana" izy (Isaia 14:16); « Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany, ary tsy nandefa ny mpifatotra hody » (Isaia 14:17)
Nampihorohoro izao tontolo izao izy. Ireo manam-pahaizana sy mpikaroka dia milaza fa ireo biby vaventy sy lehibe dia nonina teto an-tany fahiny, raha mbola tsy nisy olona nonina teto an-tany. Hitantsika eny amin'ireny Mozea ireny ny taolan'ny sasany amin'ireny biby vaventy toy ny dinaozaoro ireny. Mahalasa saina tokoa ary mampametra-panontaniana ny antony nahatonga ny faharinganan'ireny biby vaventy isankarazany ireny. Ankehitriny, dia voalaza fa mitovitovy karazana amin'ireo biby taloha ihany ny ankamaroan'ireo biby velona ankehitriny, saingy kely lavitra noho ny haben'ireo noforonin'Andriamanitra taloha izy ireny.

Jereo ny boky "Jehovah Ray Mahery", izay nosoratan'ny tompon'andraikitra ato amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray (eto Antananarivo, Madagasikara) raha te-hahafantatra ny andinindininy momba izany fikarohana izany ianao.



"Tsisy endrika" sady "foana" ny Tany

  • Nanimba ny Tany i Satana sy ireo anjeliny; ary izany no nahatonga ny Tany ho "tsisy endrika sady foana" izay antsoin'i Herbert W. Armstrong, mpanorina ny United Church of God), hoe "tohu bohu". Ny hoe "tsisy endrika" dia azo adika hoe tsy misy endrika, na koa hoe tsy hita izay endriny. Ny teny hoe "foana" dia azo adika hoe tsy misy na inona na inona intsony. Ny mifanohitra amin'ny "foana" dia "feno."
  • Ny fahasimbana sy ny fahafoanan'ny endriky ny tany voalazan'ny Genesisy 1 dia vokatry faharatsian’ireo Anjely, izay nikomy tamin’Andriamanitra, noho ny avonavon'ny fony sy ny tsi- fankatòvany an'Andriamanitra.
  • Rakotra aizina sy rano ny tany: 
« Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. » (Genesisy 1:2)


Inona no maha-zava-dehibe ny fahalalana ny zava-nisy talohan'ny Tantara?

Eto izany vao tonga amin'ny tantara voalazan'ny Genesisy 1:2 ny tantaran'ny zanak'olombelona. Nefa raha tsy azontsika ny zavatra rehetra mialoha ny Genesisy toko voalohany, andininy faharoa io, dia tsy ho azontsika mihitsy koa ny antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona, ary indrindr izany antsoina hoe "Planin'ny Famonjena" sy Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany izany.


    Nanavao ny Tany Andriamanitra
      • Naniraka ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'ny Teny Jehovah mba hitondra Fahazavana, ary hanavao ny endriky ny Tany sy hanao ny asa rehetra fanavaozana ny Tany sy ny Lanitra (Salamo 104:30, Genesisy 1).
      • Nahary ny zavatra rehetra Izy ireo (Genesisy 1: 2-31) ary nahary ny zava-mananaina sy ny biby rehetra isankarazany koa.


        Namorona ny Olona Andriamanitra

          Rehefa vita ny asa famoronana ny tany sy lanitra ary ny ranomasina sy ireo zava-boaary rehetra eo aminy dia namorona ny olona Andriamanitra sy ny Teny. 
          • Namorona ny olombelona tahaka ny endriny sy ny tarehiny Jehovah sy ny Teny. 
          • Vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. (Gen. 2:7)
           Lahy sy vavy, Adama sy Eva, no nanaovan'Andriamanitra ny olombelona. Nitso-drano azy mba ho maro fara sy hihabetsaka Andriamanitra. Tao amin'ny Saha Edena tao atsinanana no nametrahan'Andriamanitra azy ireo. Nomen'Andriamanitra azy ireo ho fihinany ny anana manintsam-boa sy ny hazo fihinam-boa rehetra izay manintsam-boa isankarazany.

            Nomena safidy sy fahalalahana ny olombelona rehetra
            • Nanafatrafatra azy ireo kosa anefa Andriamanitra mba tsy hihinana ny voa avy amin'ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara, satria ho faty izy ireo amin'ny andro ihinanany izany.
            • Nanohitra na nandà ny Tenin'Andriamanitra ny olombelona. Izany hoe, nisafidy ny hihaino ny tenin'ny devoly sy Satana izy ireo; ary izany no mahatonga ny fahafatesana eo amin'ny zanak'olombelona rehetra.
            Namorona olona tahaka ny endriny sy ny tarehiny Andriamanitra, ary nametraka azy hanjaka amin'ny zava-boaary rehetra eto an-tany Izy. (Gen.1:26; Lioka 19:17-19; Apo. 2:27)

              Manimba ny asan'Andriamanitra hatrany ilay fahavalony

              • Satana niseho tamin'ny endriky ny menarana, ilay "menarana ela, devoly sy Satana", ary naka fanahy an'i Eva mba tsy hihaino ny Tenin'Andriamanitra. (Genesisy 3)
              • Namitaka ny olona voalohany i Satana ary mbola hamitaka ihany hatramin'ny farany (Gene. 3 sy Apo. 20)
              • Nefa rehefa amin'ny andro farany dia hatsipy anaty farihy afo sy solifara ireo fahavalon'Andriamanitra, dia devoly sy Satana sy ireo rehetra izay tsy mety mino. (Apo.14:10, 19:20, 20:10, 21:8)

              « Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apokalypsy 12:12)


              Inona no hanafaka antsika amin'ny fandrik'i Satana sy ny fahafatesana?


              Hatrany am-piandohana dia efa misy planina nataon'i Jehovah ary nodidiany hotandremana mandrakizay mba hahazoantsika ny planin'ny famonjena.

              Niaina sy nitandrina ny hevitra ara-bakitenin'izany planin'ny famonjena izany ireo vahoakan'Andriamanitra tamin'ny andron'ny zanak'Israely. Izany dia araka ny voasoritra amin'ireo Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah. (Levitikosy 23)

              Naniraka an'i Jesosy Kristy Izy ho tonga nofo, ary hiara-miaina amin'ny olombelona, ary nitondra ny hevitra ara-panahin'ny planin'ny famonjena Izy. Izany dia satria:

              « ... Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Korintiana 15:50)


              Inona no Planin'ny Famonjena?


              Ny hevi-panahin'ny Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah no lalàna mandrakizay ary hotandremana mandrakizay satria mirakitra izany planin'ny famonjena ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra izany.

              • Izany hoe, ny planin'ny famonjena no manoro antsika ny làlana arahina mba hamerenana ilay endrika sy tarehin'Andriamanitra ao anatintsika, dia ny Fanahin'Andriamanitra ao anatintsika izany. 


              Teny Fikasana ho an'ny mino

              Izay rehetra mihaino sy mankatò ny Tenin'Andriamanitra no tonga zanak'Andriamanitra, ary Jehovah no manamasina azy.
              Ny "olona masina" dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana ny filazana an'i Jesosy Kristy. (Apo. 14:12)
              Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anaran'i Jesosy izany.(Jaona 1:12)


              • Ary raha zanak'Andriamanitra dia mpiara-mandova ny Fanjakan'Andriamanitra amin'i Jesosy Kristy, ary hiara-manam-boninahitra aminy koa. (Romana 8:17)
                • Izay manasa ny fitafiany no hanana fahefana amin'ny Hazon'Aina ary afaka hiditra amin'ny Vavahadin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Apo. 22:14)

                Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra

                « Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Matio 6:31)« Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:32)« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)« Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. » (Matio 6:34)

                Ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra eto an-tany

                Amin'ny andro farany dia ho rava tanteraka ny fanjakan'izao tontolo izao, izay notarihin'ilay mpanjakan'ny fahamaizinana eto an-tany mandritry ny arivo taona maro.

                Amin'izany fotoana izany no ho tonga ny Fanjakan' Andriamanitra mandrakizay eto an-tany. (Apo. 20-21)



                  • Izay mino sy "manasa ny akanjony" no ho tonga olona masina ka hanana anjara fiainana sy handova ny fanjakan'Andriamanitra(Mar. 16:16a; (Ezekiela 28:24-26; Apo. 22:14) 
                  • Ireo olona masina no hiara-manjaka amin'i Jesosy Kristy eto an-tany, hiara-mitantana aminy izao zavatra rehetra noharian'Andriamanitra izao.
                  • Hanjaka tsy hana-pahataperana eto an-tany Jesosy Kristy sy ny olona masina, ankohonan'Andriamanitra


                    Inona kosa no anjara homena ireo tsy mino sy antikristy?

                    Ireo tsy mino an'Andriamanitra sady mandà na tsy mankatò an'Andriamanitra sy manohitra an'i Jesosy Kristy dia antsoina hoe "antikristy." (1 Jao. 2:18-22; 1 Jao. 4:3) 
                    Ireo no mikatsaka hatrany ny fanjakan'izao tontolo izao, tarihin'ny andrianan'izao tontolo izao, dia devoly sy Satana.
                      Ireo dia olona tsy mino, vetaveta, mpijangajanga, mpanao ody ratsy, mpandainga, ary tsy mankatò ny Tenin'Andriamanitra. 
                      • Ireo mpanohitra an'i Kristy no fahavalon'i Kristy, izay antsoin'ny Bokin'ny Apokalypsy 21 koa hoe "alika:" 
                      « Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
                      • Izay tsy mino an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireo dia miankohoka eo anoloan'ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny mariky ny anarany. (Apo.14:9) 
                      • Ireo dia hohelohina ary haringana amin'ny fahafatesana faharoa rehefa amin'ny fitsaran'ilay Seza Fiandrianana fotsy lehibe, izay tsarovana amin'ny "Fara-Fivoriana", iray amin'ireo  Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah. (Mar. 16:16b; Apo. 21)